Articles

Agustin Barrios Mangore : Kapila, Takelaka ary boky sorapeo

Image
  Agustin Barrios Mangore Kapila, Takelaka ary boky sorapeo A gustin Pio Barrios Ferreyra , fantatra amin'ny anarana hoe Agustin Barrios, na Nitsuga Mangore, na koa Agustin Barrios Mangore,     no matetika nivoaka tamin'ireo valin' ilay fanontaniana hoe " Iza no mpamorona feonkira na mpitendry gitara klasika tianao indrindra ? " tao amin'ny vondrona " Malagasy Tia Gitara Klasika " ao amin'ny Facebook.   Hanao lahatsoratra fohifohy miainga avy amin'ny boky sorapeo sy ireo kapika mangirana ato an-trano no nieritreretiko tamin'ny voalohany, fa ohatrin'ny lasa lavitra kokoa ilay izy noho ny zava-baovao hitako teo am-pikarohana. Izay hitako tany anaty boky, ireo "notes" any anaty boky sorapeo sy kapila mangirana ary indrindra tamin'ny internet ihany no navadibadika sy nalamina. Sady mba te hanao lahatsoratra amin'ny teny malagasy mikasikan' i Agustin Barrios, fa ohatrin'ny mbola tsy nahita aho.